Collège Saint Joseph Mahamasina
Fianarana Ezahina Fahendrena Iainana

NY SEKOLY MASINDAHY JOSEFA MAHAMASINA


Mirazotra hatrany amin'ny niorenan'ny Fiangonana Katolika ny Sekoly Masindahy Josefa eto Mahamasina. Izany no mahafeno 150 taona azy roaroa tamin'ny 2018.


Sekoly roa no nisy sy niankina tamin'ny Fiangonana Masindahy Josefa Mahamasina; nanomboka tamin'ny taona 1868 tany ho any. Teo ny sekolin-jazavavy sy ny sekolin-jazalahy. Zato taona taty aoriana; izany hoe ny taona 1973 vao natambatra ho iray ireo sekoly roa ireo. Azo zaraina ho vanim-potoana roa lehibe araka izany ny fivoaran'ny sekoly Katolika teto Mahamasina:

  • Vanim-potoana voalohany: Nanomboka tamin'ny taona 1868 hatramin'ny 1973
  • Vanim-potoana faharoa: Nanomboka tamin'ny taona 1973 mandraka ankehitriny


Ara-tantara dia ny Alahady 12 Jolay 1868 no nisokafan'ny sekolin-dry Masera teto Mahamasina. Ry zareo avy ao amin'ny fikambanan-dRelijiozy "Soeurs de Saint Joseph de Cluny" no niandraikitra ny fitantana ny sekoly; izay natokana niandraikitra ny fitantana ny sekoly; izay natokana ho an'ny zazavavy ihany tamin'izany.
Nanodidina ny taona 1968 kosa ny sekolin-jazalahy; izay notantanan-dry "Frères des Ecoles Chretiennes".


152 taona ankehitriny ny Kolejy ary miezaka hatrany manatsara ny kalitaom-pampianarana. Manaporofo izany ny voka-panadinana isan-taona eo amin'ny ara-panjakana. Miezaka hahatratra ny tanjona apetraka dia ny F.E.F.I (Fianarana Ezahina Fahendrena Iainana)


Famintinana ny TSIAHY sy TAMBERINA.
Nosoratan'Andriamatoa RAMAZORO RAZAKAMANANA Herménégilde.


ADRESSE

Lot III A 19 Tsimialonjafy
Mahamasina Est
Antananarivo 101
Madagascar


TELEPHONES

+26133 14 145 79
+26134 94 983 98


EMAILS

GMAIL
csjmahamasina@gmail.com
YAHOO
csjmahamasina@yahoo.com


FACEBOOK

COMPTE
Kolejy Md
Josefa Mahamasina

Lot III A 19 Tsimialonjafy - Mahamasina Est
Antananarivo - Madagascar
csjmahamasina@gmail.com / csjmahamasina@yahoo.com
+26133 14 145 79 / +26134 94 983 98
Kolejy Md Josefa Mahamasina